avril 26, 2024
Zazalahy 3 taona no maty vokatry ny daka nataon-drainy taminy tany Namorona, Manakara ny 23 Aprily lasa teo. […]
avril 26, 2024
Nahazo mpamonjy voina miisa 98 sy polisy monisipaly 200 isa vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alarobia izy ireo, taorian’ny fiofanana maharitra narahiny, mba hahafahany miditra amin’ny asa izay ho sahaniny. Nivoaka tao amin’ny andiany izay mitondra ny anarana hoe “Tselatra” izy ireo. […]
avril 26, 2024
Ao anatin’ny fararano tokoa isika, miakatra ny vary, ary mila hatao azon’andro. Na dia izany aza nefa dia voararan’ny lalàna ary mahavoasazy ny manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny sisin-dalana, araka ny nambaran’ny Ministeran’ny Asa vaventy mba ho fiarovana ny lalam-pirenena sy ho fanamafisana ny filaminana ary ihany koa mba hisorohana ny loza mety hitranga na ho an’ny mpampiasa lalana na ho an’ny olona mipetraka manamorona ny lalam-pirenena. […]
avril 26, 2024
Ahiana ny hisian’ny rivodoza mety hanakaiky an’i Madagasikara amin’ny herinandro manaraka ho avy izao raha ny vinavinan’ny Météo Madagascar. Mety hanakaiky ireo distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Ary koa ahiana ny hisiana rivodoza mety hanakaiky ireo distrikan’i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Analalava, Bealanana, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara. Amporisihina araka izany, ho an’ireo distrika ireo, ny hanarahana akaiky ireo antontam-baovao farany momba ny vinavina ho an’ny toetry ny andro manomboka ny faran’ny herinandro izao. […]
avril 25, 2024
Solontenan’ny Polisim-pirenena malagasy 2 no nahazo ny voalohany tamin’ny firenena 22 teto Afrika nandritra ny fiofanana nataon’izy ireo tany Égypte. Vita omaly ny lanonana fanomezana ny diploma. […]