Barea miatrika an’i Maroc androany !
Hiatrika lalao amical lehibe ny ekipam-pirenena Malagasy anio, hifandona amin’i Maroc any Rabat.
Hanomboka amin’ny 20:00 ora Madagasikara ny lalao
Fotoana iray lehibe ho an’ny Barea hanamafisana ny traikefa sy hitsapana ny tanjany manoloana ekipa matanjaka, ho fiomanana amin’ireo fifaninanana ho avy

