Faritra Amoron’I Mania: Nisitraka toeram-piantsonan’ny fiarakodia vaovao
Dépêche 18 avril, 13h, Nahazo toeram-piantsonana vaovao ny mpampiasa ny lalana makany na mandala an’ny amin’iny faritra Amoron’I Mania iny. Raha tsiahivina dia ankalamanjana tanteraka io tobim-piantsonana io teo aloha. Amin’izao fotoana izao dia hahazaka fiara miisa 60 io toby izay notokanana ny 15 aprily teo. Azo lazaina ho manara-penitra ity toerana ity satria sady afaka hanampy amin’ny fanadaminana ny fitateran’entana sy olona no hanampy ihany koa ireo mpisehatra hafa toy ny mpivarotra. Hahitana toeram-pisakafoanana sy fivarotana samihafa ho an’ireo zotra nasionaly sy rezionaly mba hanomezana fahafaham-po ho an’ireo mpandeha.
