Tanora malagasy iray no nahavita zava-baovao tamin’ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano.
I FALIMANANA Norbert, mpianatra ao amin’ny taona fahatelo ao amin’ny Lycée Technique Privé Anjarasoa any Antsiranana, dia nahavita andrana nahafahany namokatra herinaratra tamin’ny fampiasana rano, zinc ary cuivre.
Nahatratra 0,4A ny courant ary 3,75V ny tension azo, ka nahafahany nampirehitra jiro LED izany.
Manana tanjona hanohy ny fianarany hatrany i Norbert, ka mikendry ny ho lasa injeniera matihanina eto Madagasikara.

