ActualitésTsidika

Diabe Mampiray : Hanehoana ny firaisan-kinan’Anjeva

Hotontosaina ny 30 desambra ho avy izao ny hetsika « Diabe Mampiray » ao amin’ny Kaominina Anjeva, izay karakarain’ny Kaominina sy ny BTC Ambohimangakely. Hetsika entina hanomezan-danja ny kolontsaina misy any an-toerana, ary ihany koa hizarana hafaliana ho an’ireo mponina.

« Hiantsoana indrindra ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny Kaominina ity hetsika ity, ary ihany koa ireo manodidina rehetra mba hifandraisana sy hanehoana hatrany ny fiaraisan-kina » hoy ny avy eo amin’ny Kaominina Anjeva Gara. « Ho hitantsika mandritra izany ny diabe ataon’ireo mpianatra sy orinasa maro ary fikambanana any Anjeva sy ny manodidina, izay hanehoana hatrany fa tanàna liam-pandrosoana i Anjeva ary tanàna manana mponina tia miray hina sy manaja ny soatoavina » hoy i Diamondra, mpikambana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Enga anie ka tena hiavaka tokoa ity fetin’ny faran’ny taona eto Anjeva ity ka ho mamy tahaka ny taona vaovao ny fisarahana amin’ny taona 2021 » hoy i Fety, mponina ao Anjeva Gara.

Hetsika maro no ho hita mandritra ity « Anjeva Manala Azy » ity ka hampiavahana mandritra izany ny Diabe Mampiray, izay manome lanja ny fahaiza-manaon’ireo mponina ety ifotony. Afaka manatrika izany avokoa ny olon-drehetra satria tsy misy vidim-pidirana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire