ActualitésTsidika

Vidim-piainana : Voahajan’ireo mpivarotra aloha hatreto fepetra napetraky ny Ministera

Manamafy ny fandehanana eny an-tsena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Nisy ny fitetezana ireo mpamongady teny amin’ny tsenan’Anosibe sy Anosipatrana nataon’izy ireo, ho fiarovana hatrany ny zon’ny mpanjifa manoloana ny fanararaotana.

« Voahaja ny vidiny ara-drariny napetraky ny Minisitera eny amin’ny mpamongady ety an-toerana. Entanina hatrany ireo mpivarotra amin’ny fanarahana ireo fepetra ara-barotra rehetra toy ny fametrahana vidin’entana sy ny fananana faktiora mazava tsara » hoy ny Tale Jeneraly misahana ny varotra sy ny fanjifana, Randriamananjara Naina. Handray ny andraikiny feno noho izany ny Minisitera manoloana ny mpanararaotra, izay zatra manao tsindrio fa lavo ny mpanjifa.

« Tena tokony ho tonga hatrany ambanivohitra any mihitsy ny Ministera fa tsy sanatria ao andrenivohitra ihany, any mantsy no tena misy fanararaotana, noho ny fahavitsian’ny mpivarotra, ka manjaka tokana ny sasany » hoy i Zo, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Satrinay mpivarotra aloha tena mora ny entana, amin’izay betsaka ny mpividy, ary ny mpifaninana koa efa maro. Saingy ny any am-potony mihitsy no miakatra ka voatery mampiakatra izahay rehefa misy ny fiakarana » hoy i Laura, mpivarotra eny Anosibe.

Miankina indrindra amin’ny vidin’entana eny an-tsena tokoa ny fahefa-mividin’ny mponina, saingy na izany aza dia manana zo tokony ho arovana ny mpanjifa. Midina tokoa ve ny vidim-piainana amin’izao fandehanana an-tsehatra ataon’ny Ministera izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire