Hovaina “hybride” ny bozaka ao amin’ny kianja Mahamasina.
Hovaina “hybride” ny bozaka ao amin’ny kianja Mahamasina. Ity karazana bozaka ity dia maharitra kokoa, ahafahana milalao hatramin’ny 1000 ora isan-taona raha oharina amin’ny 250 ora amin’ny bozaka natoraly.
Tsy mitaky rano be, ary ankatoavin’ny CAF sy FIFA. Efa ampiasaina amin’ireo kianja iraisam-pirenena any Maroc sy Egypte ihany koa.
Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana. Manana 6 volana ireo tompon’andraikitra hanomanana ny kianja amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
