Sabotsy Namehana: Nafana ihany koa ny fandraisana an’I Tantely mpilalaon’I Barea tao amin’ny kaominina
Tamin’ny alahady teo no nanatontosana ny lanonana fandraisana an’I Tantely, mpilalaon’I Barea an’I Madagasikara, no sady kapiteny ihany koa, nandray anjara tamin’ny CHAN 2023 teo, tao amin’ny kianja Herisetra Rafanodina Sabotsy Namehana. Izy ihany koa izao zanaky ny kaominina Sabotsy Namehana ka tonga maro ireo olona tonga nitsena azy tao an-toerana.
“Ny kaominina dia mankasitraka feno an’I Tantely, mpilalaon’I Barea, tamin’ny ezaka nataony ho an’ny firenena, indrindra ihany koa ho an’ny kaominina Sabotsy Namehana. Tena mirehareha ny kaominina manana azy” hoy ireo avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
“Mamiratra ny tanora malagasy raha amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena no jerena. Ary ny tahaka izao dia tena mampaniry ny tanora tokoa, mba ho rehareha, hanana ny laza sy ny fahazaina. Ary ny fanohanana dia tena hery manosika amin’ny tsara mihitsy” hoy I Johary, mponina ao Sabotsy Namehana.
Ny hirariana tokoa moa mba ho maro ireo tanora hahay haka tahaka ny ezaka vitan’ny hafa tahaka izao ka hitondra avo, ho reharehan’ny kaominina nipoirana tokoa. Nisy moa ny fanentanana isan-karazany nandritra ity fitsenana ity tao an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
