ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Reharehan’ny kaominina I Tendry, mpilalaon’I Barean’I Madagasikara

Nisy ny fandraisana makotrokotroka an’I Tendry, mpilalaon’I Barea ekipam-pirenena malagasy, nandray anjara tamin’ny CHAN 2023, farany teo. Notontosaina ny talata teo ny fandraisana azy tao an-toerana. Izy izay zanaky ny kaominina Ankadikely Ilafy, araka ny voalaza.

“Tamin-kafaliana sy an-karavoana tanteraka no nandraisan’ny ben’ny tanàna teto an-toerana sy ny fiadidian’ny tanànan’Ankadikley Ilafy, an’i Tendry na koa hoe Mataniah (Randrianarijaona Tendry Manovo Mataniah), notronon’ireo sefo fokontany 18 sy ny vahoakan’Ankadikely Ilafy izay tonga maro be nitsena azy tety an-toerana. Zava-dehibe ho an’ny kaomina izany ary voninahitr’ Ankadikely Ilafy ny manana tanora toa azy no sady reharehan’ny firenena” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Nandritra ny fitsenanana sy fandraisana an’I Tendry teto an-toerana moa dia nisy ny fanolorana azy mari-pankasitrahana, niampy lela vola iray tapitrisa ariary noho ny ezaka lehibe nataony nandritra ny CHAN Algérie 2022, niaraka tamin’ny ekipam-pirenena Barea Madagasikara, ka nahazoana ny laharana fahatelo, nampiakatra avo ny voninahim-pirenena” hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.

Tonga nanontrona ity fotoana fitsenana ity ihany koa moa ny solo-tena avy amin’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire