Ambohimangakely: Nahazo kaomandin’ny brigady vaovao ny zandarimaria
SATAHASIMBOLA Gaëtan no voatendry ho kaomandin’ny tobi-paritry ny zandarimaria vaovao ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nomena azy nanomboka ny alatsinainy teo izany toerana izany, ary efa nanomboka nandray ny asany izy, raha ny voalaza.
» Andraikitra sahanin’ny mpitandro filaminana ny miaro ny vahoaka. Ilaina fiaraha-miasa amin’ny mponina anefa izany, indrindra fiaraha-mientana mba hanenjehana ny mpanao ratsy. Ny fifandraisana sy ny fampahafantarana ihany koa dia tsy azo atao ambanin-javatra ao anatin’izay » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Ny andrasana moa amin’ny mpitandro filaminana dia ny hitondra filaminana tokoa ety an-tanàna izy ireo. Mba hisy akony sy vokany ny asa ataon’izy ireo satria tsy misy hantenain’ny mponina hiarao azy amin’ny asa ratsy raha tsy ny mpitandro filaminana ihany » hoy i Léon, mponina ao Ambohimangakely.
Marihina fa niasa nandritra ny telo volana tao amin’ity tobi-paritra ity ny kaomandy niasa teo aloha. Manantena vokatra tsara sy fiovana eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana ny mponina ao an-toerana.
Manitra R.
