Pays-Bas : Mpandeha tsy ara-dalàna iray no hita faty tao anaty fiaramanidina
Mpandeha tsy ara-dalàna iray no hita faty tao amin’ny kodiaran’ny fiaramanidina (train d’atterrissage) iray avy tany Toronto ny alatsinainy teo. Tao amin’ny seranam-piaramanidina Amsterdam Schiphol vao hita ny razana raha efa niato tao Lagos, Nigéria ny fiaramanidina raha ny tatitry ny mpitondra tenin’ny « maréchaussée », Robert van Kapel.
Tsy nanome fanazavana momba io olona io kosa ity farany ary tsy nilaza ny toerana nidiran’io lehilahy io tsy ara-dalàna tao amin’ny fiaramanidina. Nanamarika kosa ny tenany fa tsy matetika ny tranga toy io niseho ny alatsinainy teo io. Raha tsiahivina dia olona iray ihany koa no nitaingana tsy ara-dalàna fiaramanidina iray tao amin’ny kodiarany, nampitohy an’i Johannesburg sy Amsterdam, izay misy elanelana 9 000 km tamin’ny taona 2022. Velona soa aman-tsara io olona io saingy tamin’ny taona 2020 dia lehilahy iray hafa avy ao Nigéria no efa namoy ny ainy vokatr’izany rehefa nigadona tao Amsterdam Schiphol.
