ActualitésTsidika

Fampandraisana andraikitra ny vehivavy: Manolotra fampiofanana ho azy ireo ny Barefoot College

Manana vina ny hampandray anjara ny vehivavy anatin’ny fampandrosoana ny fikambanana Barefoot College. Ao anatin’izany ary dia mampiofana ireo vehivavy amin’ny fikirakirana ireo fitaovana hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro izy ireo. Vehivavay miisa 17 avy amin’ny distrikan’ny Tsihombe, Ambilobe, Ampanihy ary Manja no niofana nanomboka ny volana septambra 2022 teo. Naharitra 5 volana ny fiiofanana ary efa niverina any amin’ny toerana niaviany avy izy ireo hitondra ny fahazavana.

Manana tanjona ny hampahaleo tena ny vehivavy ny Barefoot College ka izany no anton’ny fampiofanana. Ankoatra ireo ditrika ireo dia misehatra manerana ny Nosy indrindra amin’ireo faritra marefo ihany koa ny Barefoot College.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire