Sabotsy Namehana : Nitondra fanentanana amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina ireo tompon’andraikitra
Nisy ny fanentanana nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, niaraka tamin’ireo polisy avy ao an-toerana ary ny tomponandraikitry ny fahasalamana, mahakasika ny zava-mahadomelina, teny amin’ny sekoly.
« Anisan’ny zava-dehibe ary tsy tokony atao ambanin-javatra ny hetsika fanentanana ety an-tsekoly tahaka izao. Ny zava-mahadomelina izay iaraha-mahafantatra ny fiparitahany amin’izao fotoana ary tandindon-doza ireo tanora eo anatrehan’izany » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena loza ho an’ny taranaka ity zava-mahadomelina ity ary efa maro ny tanora tafaroboka ao anatiny. Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fandraisana andraikitra ary hangatahana ny hitohizan’izany manerana ireo sekoly eto an-toerana sy isam-pokontany mihitsy » hoy i Manohy, mponina ao Namehana.
Tao amin’ny lisea tsy miankina iray tao amin’ny kaominina moa no nanatanterahana ity fanentanana sy fanomezana torolalana amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina ity. Tsy mifidy sokajy ary tsy mifidy taona ireo tanora mpandray zava-mahadomelina amin’izao ka ialina ihany koa ny fanaraha-maso ao anatin’izany.
Manitra R.
