France : Nahitana « sous-variant » an’ny covid-19 indray tao an-toerana
Mbola tsy lefy ny covid-19, mbola mamono olona manodidina ny 5 000 sy 10 000 isa isan-kerinandro eran’izao tontolo izao izy raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny OMS, Maria Van Kerkhove. Tetsy ankilany dia nilaza ny tenany fa nahita « sous-variant » vaovaon’io aretina io tao France indray ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana.
Arcturus (XBB.1.16) no anaran’io « variant » vaovao io. Raha ny tatitra dia mora mifindra ary « pathogène » kokoa izany. Manoloana izany dia nampidirin’ny OMS ao amin’ny lisitr’ireo « variant » arahi-maso izy. Nanamafy izy ireo fa efa nanomboka ny volana janoary teo noniparitaka tao Inde io « variant » io ary izao tonga ao France izao.
Toerana maro tao amin’ny firenena, toy i Normandie, Centre-Val-de-Loire, Grand-Est, Ile-de-France ary Auvergne-Rhône-Alpes kosa no efa nahita ny tsimok’aretina hoy ny tompon’andraikitra. Tsy misy atahorana hatreto io « variant » io saingy ny ankizy latsaky ny 12 taona no tena tratrany raha ny fanazavana. Isany soritr’aretiny ny tazo, kohaka, maso mena…
