ActualitésTsidika

Manentsina ny tatatra rehefa fahavaratra ny harona plastika

Hiditra tsy ho ela amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika izao, izay vanim-potoana filatsahan’ny orana ka hanararaotana amin’ny fambolena sy ny famokarana vokatra isan-karazany. Manomboka ny volana Oktobra hatramin’ny Martsa ny fahavaratra ka mila miomana dieny izao isika toy ny fanamboarana sy fanamafisana ny trano sy ny fampiasana ireo fitaovana tsy simban’ny rano na hampiasa fiarovana amin’izany.

Hita nandritra iny ririnina iny fa tsentsina fako plastika ny tatatra, ahoana izany ny hivoahan’ny rano rehefa avy ny orana ? Isika ihany anie no ho dobon-drano sy hiharitra ny fofona maloto eo raha tsy mitandrina dieny izao. « Mila mandray andraikitra dieny izao mba ny tanora sy ny ratsana maro satria raha tsy misy fidiovana ny tatatra dia ho tsetsin’ireo harona plastika ka betsaka indray no hitaraina indrindra ny eny amin’ny faritra iva » hoy i Arnold, mpahay tontolo iainana. « Ny harona plastika sy ny fanariana azy etsy sy eroa no mety hanahirana rehefa fahavaratra ka mila raisina ny andraikitra » hoy i Malala, mpampianatra eny amin’ny kolejy.

« Ela vao levona ny harona plastika fa tokony hofoanana ny fampiasana azy satria mandoto tontolo iainana, mila avadika ho azo ampiasaina mihitsy aza mba tsy ho verivery fahatany » hoy i Ranaivomanana, mpikambana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fihetsika tsotra kanefa hahafahana miaro ny tontolo iainana ny tsy fampiasana harona platsika mba hitsinjovana ny fahavaratra izay efa ho avy tsy ho ela. Tokony ho foanana eto amintsika mihitsy ny harona plastika satria vao maika hahabe asa indray rehefa fahavaratra noho izy manentsin any tatatra no ela vao levona ka sady mandoto tontolo iainana. Isika anefa izao dia fotoanan’ny fanarenana ny tontolo iainana mba ho an’ireo taranaka faramandimby rahatrizay ka ho tontolo madio sy milamina no ho vantaniny eto fa tsy ny adalantsika akory.

Inona no afaka hanoloana ny harona plastika eto amintsika ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire