Fahasalamana : Manambana izao tontolo izao ihany koa ilay « nendran-drajako »
Anisan’ny mampihoro-koditra ny fisehon’ity aretina vaovao niseho, izay nahitana azy voalohany tamin’ny volana May 2022 ity ny « nendran-drajako » na ny « variole du singe ». Efa firenena manodidina ny 70 maneran-tany amin’izao fotoana izao no efa nahitana izany avokoa, raha ny tatitra nataon’ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana ny herinandron’ny faha 23 ny volana jolay lasa teo.
Raha tsiahivina, ny 07 may 2022 no nahitana ny tranga nendran-drajako voalohany, tany Angleterre, izay niseho tamin’ny lehilahy avy any Nigeria. Roa herinandro taorian’ny nahitana io tranga io dia niparitaka avy hatrany tamin’olona manodidina ny 3 000 ilay, aretina ary tonga nanerina ny kaontinanta telo teto amin’izao tontolo izao.
Haingana dia haingana ny fifindran’ity aretina ity, ary anisan’ny mampihorohoro ny mponina manerana izao tontolo izao noho izy mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana, ny piti-drora, na ny fifaneraserana mivantanana na ankolaka amin’ilay olona mitondra ilay tsimok’aretina, eo ihany koa ny fampiasana ireo fitaovana avy nampiasain’ilay olona marary toy ny akanjo, sotro,lovia, sy ny sisa.
Izany indrindra no nanaovan’ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana antso avo amin’ny hamehana ara-pahasalamana manoloana ity valan’aretina vaovao ity satria ahiana ny hitomboan’ny tranga sy ny isan’ny maty vokatr’izany.
Ho an’ny Madagasikara kosa, hanao ahoana ny fiatrehana izany sy ny fifehezana ny tranga raha ny coronavirus aza mbola ahiana ny hiakaran’ny taha ?
Manitra Ramanantsoa
