CNaPS : Nahazo tale jeneraly vaovao
Voatendry ho tale Jeneraly vonjimaika hitantana ny Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (CNaPS) i Tsaboto Joslina Fridoline. Nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra no nandraisana ny didim-pitsarana manendry azy sy nanalana ny tale jeneraly teo aloha.
« Herinandro maromaro izay no tsy afaka nisahana io andraikitra io ny tale jeneraly teo aloha noho ny raharaha mahavoarohirohy azy. Anisan’ny efa nitaky ny fanoloana azy sy ny fametrahana mpitantana vonjimaika ny vondron’ny lehibena orinasa sy sendikan’ny mpiasa izahay » hoy ny tao amin’ny CNaPS. « Notendrena ho tale vonjimaika hitondra ny CNaPS i Tsaboto Joslina Fridoline. Efa nisahana io andraikitra io nandritra ny volana maromaro i Tsaboto Joslina Fridoline, tamin’ny fotoana nisoloany toerana an’i Rabekoto Arizaka Raoul, hatramin’ny 20 novambra 2019, nanedrena ny tale jeneraly farany teo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy.
Tsiahivina fa voarohirohy tamin’ny resaka fanodikodiam-bola ilay tale jeneraly teo aloha sy ny mpiasa vitsivitsy. Zava-dehibe tokoa ny fisian’ny CNaPS noho izy manampy ny ara-tsosialin’ny mponina.
Nicole Rafalimananjara
