Ambohimangakely : Nitsidika ireo tokantrano sahirana ny kaominina
Nitondra fanampiana ho an’ireo tokantrano sahirana ao Ambohimangakely ny kaominina sy ny Frère Capucin. Ny avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny lafiny sosialy ao amin’ny kaominina no nitarika izany.
« Nitondra izay kely teo an-tanana izahay toy ny menaka, vary, tsaramaso, macaroni, savony ho an’ireo fianakaviana sahirana. Isaorana ny avy ao amin’ny Frère capucin nanampy tamin’izany » hoy i Rasoava Rivo, tompon’andraikitra misahana ny sosialy sy ny kolontsaina ary ny fanatanjahan-tena ao amin’ny Kaominina. « Manampy anay tokoa ny fanampiana tahaka izao. Efa hery lehibe handrosoana manoloana ny vidim-pianana miakatra » hoy ireo fianakaviana.
Mijery hatrany ireo vahoaka tokoa ny kaominina, ary mitady hatrany izay hampandroso ny tanàna. Zava-dehibe ny fifampizarana tahaka izao ho entina hanampiana ny hafa.
Nicole Rafalimananjara
