ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Ho tanterahana ny sabotsy izao ny lalao famaranana ny « tournoi des clubs inter-fokontany »

Ho tanterahina ny sabotsy 27 janoary izao ny lalao famaranana amin’ny fifaninanana baolina baskety « Tournoi des clubs inetr-fokontany » izay nokarakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Hanomboka amin’ny 09ora sy sasany ny fotoana amin’ny sabotsy izao. Hisantarana ny fotoana dia hisy ny lalao miavaka na Match de Gala ny tapany maraina. Manomboka amin’ny 1ora sy sasany tolak’andro, ny lalao famaranana sokajy vehivavy izay hifanandrinan’ny ekipa avy amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohitrarahaba » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

« Amin’ny 2ora sy sasany tolak’andro kosa no hanomboka ny lalao eo amin’ny sokajy lehilahy. Hifanandrina amin’izany ny fokontany Mandrosoa sy ny fokontany Andafiavaratra. Hanentanana ny rehetra ho tonga maro mandritra izany satria mila ny fanohanana avy amin’ny rehetra ny mpilalao ireo » hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Marihina, fa mandritra ity lalao famaranana ity dia tsy maintsy manao fanamina (maillot) mitovy loko avokoa ireo ekipa tsirairay ary mandoa ny saran’ny droit d’arbitrage 20.000ariary isaky ny ekipa.

Laisser un commentaire