ActualitésSocialTsidika

Ambohimalaza: Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary

Mpangalatra moto iray no voasambotry ny zandary, ny alatsinainy teo, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Ny 26 aogositra no nitrangana halatra moto tao amin’ny toerana antsoina hoe Escale, ao Ambohimalaza, manamorona ny lalam-pirenena faharoa, ka nisy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra nahafahana nisambotra ilay olon-dratsy, araka ny voalaza.

“Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona  rehefa nahazo ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona teny an-toerana fa lehilahy iray nanao ankanjo mazava alina no nanosika io moto io nizotra nankany Antahikihady, fokontany Fiadanana” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

“Nandritra izany, raha vao nahatazan-davitra ny mpanara-dia ilay mpangalatra dia natsipiny ny moto ary ny tenany kosa nandeha nitsoaka sy niafina tanaty goavy. Voasambotra ihany ralehilahy nony farany”

Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ity lehilahy ity ihany koa moa no nitantarany ny teknika fanaony rehefa manao izany asa ratsy amin’ny fangalarana moto izy; ka ireo moto mijanona eny amin’ny fiantsonana, tsy mihidy kodiarana aloha no lasibatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire