ConseilTsidika

Ambohibato dia vohitra iray ao atsinanan’ Antananarivo, vohitra anisan’ ny tranainy indrindra raha teto Imerina.

Ny manodidina an’ Ambohibato, no ahitana an’Ambohimanambola, nisy ny Zanapitolahy, zanak’ I Ravololondralambo sy Andrianolazaina, Andriana voalohany Teo, niteraka 07 mirahalahy ary vavy tokana (Rangita no anarany, izay marihina fa Tsy Rangita an’Imerimanjaka fa ny anarana tanimboanjo) Ambohitrandriananahary, nisy an’ Andriamananitany, rain’ Andrianamboninolona.

Alasora, nisy an’ Andriamanelo, Mpanjaka voalohany teto Imerina.

Eto antampon’ Ambohibato kosa no nisy an’ Andrianandritany tokony ho tany amin’ ny 1540 tany.

Ireo vohitra 04 ireo no efajoron’ Imerina tamin’ny andron’ ANDRIAMANELO, ANDRIANOLAZAINA, ANDRIAMANANITANY ary ANDRIANANDRITANY.

Fantaro ary fa, Ambohibato tamin’ny andron’ny RALAMBO sy RAFOHY sy RANGITA, vohitra masina, izay RAFOHY sy RANGITA no nanamasina azy, teto antampon’ Ambohibato no niantsoany an’Andriamanitra Andriananahary sy ny Razana ho tsara tsodrano, ho tsara hasina. Vohitry ny fomba amam-panao ihany koa, satria tany aloha dia tsy nisy fasana teto, ka rehefa tonga ny fandroana na ny fotoanan’ ny tsinan’ Alahamady dia miakatra eto ry zareo mivavaka amin’ Andriamanitra, miantso an’ Andriamanitra sy ny Razana. Hanamasina ny fitantanana, fiarahamonina, sy fitsofandrano ny Mpanjaka ihany koa.

Ireo Zanakandriana nitondra fanjakana rehetra dia teto daholo no nohamasinina, na RALAMBO , na ANDRIAMANELO.

Teto ihany koa no natao ny famoranjaza, voalaza fa teto no natao famorana ny Mpanjaka RALAMBO, mbola ahitana vato masina nanatanterahana izany fomba izany teto, natao isaky ny 07 taona, izay mipetraka Avaratra Antsinanana, ka rehefa manantanteraka azy Dia miantso an Andriamanitra sy Ny Razana ka eo alohan’ilay vato no apetraka ny laona mihohoka ka eo amboniny ilay mpitana ilay zaza no mipetraka. Ka rehefa izay dia miakora amin’izay ny lehilahy rehetra: « lahy Ialahy! Lahy Ialahy! » mba Tsy ho heno ny fitomaniany. Misy fary manodidina azy sy vatan’ akondro ary rano mahery tsy mbola nodikain’ny alika.

Rehefa fotoanan’ny Tsinambolan’ny Alahamady na ny Asaramanitra dia nanana zo hamono omby teto ny taranak’ Ambohibato, omby Malaza no niantsoana azy( omby mena na volontsokola tanora), ka mbola ahitana ny vato fanaovana sorona ihany koa eo antampon’ Ambohibato, ka hafatotra eo ny omby ka hatodika any amin’ny zoro firarazana ka tanterahina ny fomba avy eo. Ny ra kosa no hatete eo amin’ny vato sy ny manodidina rehetra. Mbola ahitana vaton’ireo mpiambina ny tanana ihany koa eto.

Tany aloha, Tsy navelan’ I RAFOHY sy RANGITA handevenana mihintsy teto satria vohitry ny fomba amam-panao, fa taty aoriana, tamin’ny andron’ I RALAMBO , rehefa nanampy azy tamin’ny fampandriantany ANDRIANJOHY, zanak’ ANDRIANANDRITANY dia nomeny alalana hilevina teto ihany. Miafina Ao ihany koa RAZAKAMANANA sy RASOARAHONA , izay samy taranak’ ANDRIANANDRITANY, ahitana tranomanara.

ANDRIANANDRITANY moa, dia Zanakandriana avy any Imamo, Zanaky ny Mpanjaka ANDRIAMASOANDRO , ka nifindra teto Imerina, nanoa ny Mpanjaka ANDRIAMANELO sy RALAMBO.

Mbola hita eto an-tampon’ Ambohibato Koa moa ireo fahitromby miisa 2 ka ny faharoa no fametrahana ireo omby volavita, ny fototry ny tamboho, ary aviavy maniry. Ny toerana moa dia voadidina hadivory telo sosona.

Manitra R.

Laisser un commentaire