Fanomanana ny fetim-pirenena (26 Jona)
Mitohy manerana ny Nosy ny fikarakarana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-66 nahazoana ny fahaleovantena. Anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna, fanamboarana lalana amin’ny toerana sasany, fanazaran-tenan’ny tafika sy ireo handray anjara, ary koa ny fanatsarana ny bika aman’endriky ny renivohitra sy ny faritra samihafa.


