Etats-Unis : Teraka vavikely i Harry sy i Meghan Markle
Tamin-kafaliana tanteraka no nanambaran’ny printsy Harry sy ny vadiny Meghan Markle omaly ny amin’ny fahaterahan’ny zanany faharoa, Lilibet “Lili” Diana. Ho fahatsiarovana ny mpanjaka Elisabeth II sy ilay princesse-ny Galles no nomena ilay anarana. Efa ny zoma maraina lasa eo izy no teraka tao amin’ny hôpitaly Santa Barbara any Californie fa omaly vao navoakan’izy mivady tamin’ny daholobe. Nilanja 3,5 kilao ary manana laharana fahavalo amin’ny fandovana ny sotroboninahitra any Grande Bretagne i Lilibert. Salama tsara hatreto ny reniny sy ny zanany tsy tahaka ny efa noeritreretina hoy i Harry sy i Meghan. Roa taona ny zanaka lahy voalohan’izy roa amin’izao, ary i Archie no anarany. Niarahaba azy mivady amin’izao fahasoavana azon’izy ireo izao ny Praiminisitra any Grande Bretagne, Boris Johnson.
