Burkina Faso : Tsy latsaky ny 160 ny maty
Nitrangana fanafihana nataon’ireo vondrona mpampihorohoro indray tay Burkina Faso ny sabotsy 5 jona lasa teo, isan’ireo nahafatesan’olona be indrindra nanomboka ny 2015, ka ankizy no betsaka indrindra. Tao amin’ny tanànan’i Solhan any avaratra atsinanana no nitrangan’ny fanafihana nataon’ireo mpampihorohoro ka niisa 160 ireo namoy ny ainy nandrira ny ady raha ny isa voaray omaly alahady 6 jona. Nahitana ankizy maherin’ny roapolo ny may tamin’izany hoy ny olom-boafidy tao amin’izany faritra izany. Nalevin’ny mponina tany an-toerana tamin’ny lavaka telo ka nandeha isaky ny 50 ireo maty ireo rah any lavaka fahatelo no natao 60. Tsy latsaky ny dimampolo ihany koa anefa ireo naratra sy itondra takaitra nandritra izany. Nanameloka izao fanafihana nahafatesan’olona marobe izao ny vondron’ny firenena mikambana sy ny Union Européenne.
