ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mihamitombo ny fahaverezana jiro ao an-toerana

Nihanahazo vahana tao ho ao ny fahavarezan’ireo jiro « lampandaires solaires » mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoanadro, napetraky ny kaominina isaky ny fokontany ao Sabotsy Namehana.

« Manentana ny monina eto an-toerana ny kaominina mba hiaro sy hanara-maso ireny jiro manazava ny lalana ireny satria fananana iombonana izy ireny ary napetraky ny kaominina mba hiarovana amin’ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny olana goavana mahatonga ny fahaverezan-javatra tahaka izao ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra. Mifampiandry loatra ny olona ka rehefa tsy hita ireo fitaovana vao samy mimenomenona sy mikorontana ka izay toe-tsaina izay no mila ovaina » hoy i Hasina, mponina ao Sabotsy Namehana.

Etsy ankilazan’izany, manentana ny kaominina ary mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay, mba hampandre sy hampilaza raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Manitra R.

Laisser un commentaire