ActualitésTatitra

Mayotte : Mikatona ny SMUR ao amin’ny CHM

Mikatona ny SMUR (Structure mobile d’urgence et de reanimation, sampana vonjy taitra) na « urgences » ao amin’ny CHM (Centre hospitalier de Mayotte). Antony ny olana goavana amin’ny fandraisana mpiasa ka mahatonga ny fampandehanana ny sampan ho tandindon-doza.

Manoloana ny tranga dia mitady mpitsabo « urgentiste » farany izany haingana manana mari-pahaizana eropeana ny hopitaly. Efa nanomboka ny fiandohan’ny volana teo izany fikarohana mpiasa izany saingy zara raha misy mijery akory. Raha tsiahivina mantsy nisy ny mpiasa niaharan’ny herisetra tao amin’io hopitaly io herinandro vitsivitsy lasa izao ary olona nitam-piadiana ihany koa no tonga nanafika ny toerana.

Manoloana izany dia nalaza ratsy ny hopitaly ary tsy mandrisika ny olona intsony ny hiasa ao aminy. Nanazava ny mpitsabo Nora Oulehri talen’ny SAMU 976 fa mpitsabo 37 isa vao mahavita mampiodina ny SMUR kanefa 6 sisa izy ireo no miasa ao amin’izany ka voatery nakatona ny SMUR.

Laisser un commentaire