ActualitésSportTsidika

Ankadikely Ilafy: Anisan’ny hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny taranja baolina kitra ny ekipan’ny kaominina

Mitohy hatrany ny fifaninana amin’ny lalao baolina kitra, tournoi intercommunal, ao amin’ny dsitrika Avaradrano. Mitohy amin’ny alahady izay no lalao, miditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ka anisan’ny hiatraika izany ny ekipan’ny Crai foot, avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

“Ny Alahady 24 Septambra izao, amin’ny 01 ora tolakandro no hihatrika ny lalao ampahefadalana ny ekipan’ny « Foot CRAI », eny amin’ny Kianjan’ny Pedro Andralanitra, ka ny ekipan’ny Kaominina Ambohimanga Rova no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ao anatin’izany indrindra no hanentanana sy hanasana ny rehetra ho tonga hanohana sy hanotrona ny ekipa satria voninahitry ny kaominina no ho arovan’izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Efa vonona avokoa ireo mpilalao sy ny ekipa rehetra amin’ity fifaninanana ity. Marihina moa fa efa nisy ny dingan’ny ampahefa-dalana tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny kaominina Ambohimanambola no nandrersy tamin’izany ary hiatrika ny lalao manasa-dalana.

Manitra R.

Laisser un commentaire