Akany Avoko Ambohidratrimo: Zazavavy 14 taona mitondra vohoka, tsy maintsy ho didina
Tovovavy iray 14 Taona, ao amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo, no fantatra fa voaholana ka mitondra vohoka amin’izao fotoana izao. Bevohoka 1 volana izy no tonga tao an-toerana araka ny voalaza. Fito volana ny kibony amin’izao fotoana ary araka ny fanarahamason’ny mpitsabo dia tsy hahatafavoaka zaza fa tsy maintsy ho didiana aorian’ny 27 oktobra 2023, izy.
