Madame Larissa : Mpivarotra tohan’aina amorondalana ety Ankazomanga.
Eo ampitan’ny fivarotana kidoro FOAM no ahitana azy. Efa hatramin’ny volana Martsa i Madame Larissa no nivarotra teo. Vehivavy mananotena izy, 42 taona, ary mananjanaka telo izay efa manambady avokoa. Mipetraka aminy anadahiny ety ankazomanga izy.
Io fivarotana tohan’aina io no entiny hamelomana tena, ary izy avokoa no mikarakara ny sakafo amidiny. Azo lazaina fa tena manantalenta tokoa i Madame Larissa amin’ny sakafo amidiny satria antonony sara ny fatran’ny akora ampiasainy, ary manome tsiro tena tsara.
Maro ny sakafo amidiny ary afaka hanalana ody vavony tsara. Eo ho eo amin’ny Ar 50 000 isan’andro ny sakafo lafony rehefa tena mandeha ny tsena ; ary rehefa tsy mandeha kosa dia eo amin’ny Ar 20 000 eo ho eo.
