Ambanidia: Fiarakaretsaka iray may kila
Fiara karetsaka iray no nirehitra teny Ambandia, omaly hariva. May tsy nisy azo noraisiny ity farany. Tsy nisy ny naratra, tsy nisy ihany koa ny aina nafoy tamin’izany satria tsy nisy olona tao anatin’ny fiara. Olona teny amin’ny manodidina no niantso ny sampana mpamonjy voina, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza.
