Dépêches

Fahasalamana: Hatao eto Antananarivo mandritra 10 andro ny « caravane médicale » Sarobidy ny aiko

Dépêche 28 février, 12h, Nomena ny anarana hoe « Sarobidy ny aiko » ity « caravane médicale » izay hatao eto Antananarivo mandritra ny folo andro ity. Nanomboka omaly 27 febroary izany ary tsy hifarana raha tsy ny 08 martsa ho avy izao. Natao indrindra izany hankalazana ny andron’ny vehivavy izay hotanterahina eto amin’ny Faritra Analamanga. Toy izao ny fandahapam-potoana manomboka rahampitso 1 martsa, Antanikatsaka Itaosy ny 1 martsa, Stade Malacam Antanimena ny 2 martsa, Ampasanimalo ny faha 3 martsa, Antanimenakely ny faha 4 martsa, Coliseum Analamahitsy ny faha 5 martsa, Kianja Andranomena ny faha 6 martsa, Tokotanin’ny kianja mitafo Mahamasina ny faha 7 sy faha 8 martsa. Maherin’ny 300 000 ireo olona efa nisitraka ny « caravane médicale » manerana ny Nosy hatramin’ny niatomboan’ny hetsika. Hisitraka ny anjarany indray arka izany ny eto amin’ny renivohitry ny Nosy.

Laisser un commentaire