Lisi-pifidianana: Hifarana ny volana may izao ny fara fisoratana anarana
Dépêche 28 février, 11h, Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana janoary teo no nifarana ny fitetezana isan-tokantrano izay nataon’ny CENI ho famenoana ny lisi-pifidianana. Araka izany anefa dia ny fitetezana isan-tokantrano no nifarana fa ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany kosa dia mbola mitohy hatramin’ny faha 31 may izao. Mbola manana telo volana araka izany ireo izay mbola maniry ny hiditra anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fanatanterahana izany. Tsar any manamarika fa adidin’ny tsirairay ny mifidy raha samy te hampandroso ny firenena avokoa.
