France : Vehivavy iray no nodorohana zava-mahadomelina, nalaina an-keriny ary naolana
Vehivavy iray avy tao Pologne no norebirebena lehilahy telo tao Bourrassol, Toulouse. Ny herinandro lasa teo no ity tranga ity. Rehefa nandendeha irery ity vehivavy 18 taona iray dia nisy lehilahy telo nanatona azy, nomen’ireo lehilahy ireo zava-pisotro izy ary tsy nisalasala ihany koa fa nisotro izany.
Taorian’izany dia tsy nahatsiaro tena firy io tovavy io, saingy raha ny nambarany dia nanaraka ireo lehilahy ireo tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy azy ary teo ambony seza lava efa niboridana vao nahatsiaro tena. Tao an’efitra nisy azy ireo lehilahy telo nanome ny zava-pisotro azy niaraka tamin’ny lehilahy iray hafa hoy izy. Taorain’izany dia niharan’ny fanolanana io tovovavy io ary rehefa vita ny sitrapon’ireo paka an-keriny dia nomen’izy ireo azy ny akanjony avy navotsiny ilay tovovavy.
Ny andron’io tranga io ihany dia nametraka fitoriana ilay tovovavy niharan’ny herisetra. Efa misokatra ny fanadihadiana, saingy tsy mbola hita ireo lehilahy 4 amin’izao fotoana.
