Masindray: 15 mianadahy nisitraka fampiofanana niaraka tamin’ny CFP Masindray
Nanolotra fampiofanana ho an’ireo tanora avy ao amin’ny kaominina, ny Centre de Formation Professionnel Masindray (CFP) niaraka tamin’ny kaominina Masindra. Miisa 15 mianadahy no nisitraka fampiofanana momba ny tao-trano sy ny fametrahana herinaratra nandritra izany.
“Tontosa ny 11 sy 12 desambra teo ny fiofanana fohy ezaka niarahan’ny CFP Masindray sy ny kaominina nanolotra. Tamin’izany, nahazo fahalalana momba ny Base maçonnerie, calcul béton, auto bloquant ary ny électricité de bâtiment ireo mpianatra » hoy ny avy amin’ireo tomponadraikitra.
“Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra nanome ny fiofanana ary tsy nanao ambanin-javatra ny tanora eto Masindray. tena ilaina ary zava-dehibe ho an’ny tanora ny fampiofanana arak’asa tahaka izao. efa iaraha-mahita ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fitadiavana as aka tena manampy tokoa ny fampiofanana tahaka izao” hoy i Rija, tanora avy ao Masindray.
Anisan’ny nanohana ara-pitaovana izao fiofanana izao moa ny avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ara-teknina sy ny fanofanana arak’asa, tamin’ny alalan’ny tale jeraliny. Ny kaominina Masindray ihany koa izay niara-nientana tamin’ny fanatontosana izany.
