ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisy ny fandraisana vonjimaika ireo foto-drafitr’asa

Nirotsaka an-tsehatra, nijery sy nandray vonjimaika ireo foto-drafitr’asa tao amin’ny fokontany Manjaka ireo avy amin’ny fiadidiana ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo teknisianina isan-tsokajiny, ny Alarobia teo. Ireo trano fivoahana sy fidiovana ao an-toerana sy ny lalana ao amin’ny tsena Ambohitrarahaba no nanaovana fitsirihana nandritra izany.

« Nandritra ity fotoana ity no niresahana ireo pitsopitsony rehetra mila fanovana na fanamboarana raha toa ka misy tsy mifanaraka amin’ny nampanantenaina ny asa vita. Aorian’izay vao afaka miroso amin’ny fandraisana ofisialy ny kaominina sy ny fokontany » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny mponina mihitsy ny fananana toerana fivoahana sy fidioavana tahaka izao. Hirariana ny fahavitan’izany haingana mba ho sitrahan’ny mponina ety amin’ny fokontany » hoy i Haja, mponina ao Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy.

Isika rehetra miray hina, mananjara amin’ny fampandrosoana; io moa no teny filamatry ny kaominina amin’ity taona ity. Taratra ny fandraisana andraikitra tokoa ny fananganana foto-drafitr’asa tahaka izao ary indrindra mifamila amin’ny filàn’ny vahoaka, mitondra mankany amin’ny fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire