ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny didimpoitra faobe ho fanampiana ny mponina

Hotontosaina ny 11 hatramin’ny 13 may izao ny didimpoitra faobe ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany ao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely. »Mila misoratra anarana aty amin’ny kaominina mialohan’io daty voatondro io. Isika rehetra izay liana ato anatin’ny Fokontany 18 no antsoina ho amin’izany. Hetsika efa fanao isan-taona izy ity ho fanampiana ny mpiara-belona » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Efa tafiditra ao anatin’ny ririnina isika amin’izao. Fotoana azo hanatanterahana ny didimpoitra izay fomba Malagasy tsy maintsy atao amin’ny ankizilahikely » hoy i Albert, mponina ao Ankadikely.Ny Clinique Fidy no hiara-hiasa amin’ny kaominina mandritra ny hetsika. Tsara raha manaraka hatrany ny fandaminana ho apetraka mandritra izany isika mpisitraka.

Laisser un commentaire