Alasora : Fizarana kopia faobe
Hisy ny fizarana kopia faobe ho an’ireo efa nahavita ny dingana tao Alasora ny 27 aprily izao. Eny amin’ny Kianja Maitso Alasora ho hanatanaterahana izany manomboka amin’ny 9 ora maraina. »Sarotra tokoa ny manao kopia amin’izao raha toa ka tara ny fanaovana izany. Fanararaotana ny anaovana izany ny hetsika ataon’ny kaominina tahaka izao » hoy i Gerard, mponina ao Alasora. « Miantso ireo nahavita ny fitsarana izahay amin’ity fizarana ny kopia ity. Zava-dehibe ho an’ny ankizy ny manana kopia mba ahafahany misitraka ny zony. Isaorana isika nanaraka hatrany ny fandaminana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.Ny fananana kopia tokoa no ahafahan’ny olona iray misitraka ny zony. Adidin’ny ray aman-dreny ny manoratra ny zanany ara-panjakana. Tsara raha samy miezaka ny rehetra, hananan’ny rehetra ny kopia indrindra ny tompon’andraiki-panjakana sy ny ray aman-dreny niteraka.
