Ambohimanga : Hisy ny fitsidihana ny tanàna
Hisy ny dia an-tongotra atao any Ambohimanga Rova ny 30 aprily 2022. Sady manatanja-tena isika no miala voly kely mahita toerana amin’io fotoana io. »Miainga amin’ny 8 maraina isika. Hijery ireo tanàna manan-kasina ao Ambohimanga Rova. Efa hita eto sahady fa hahafinaritra ny dia. Hisy ihany koa ny kilalao sy ny fanentanana isan-karazany » hoy ny avy ao ami’nny Ilohasina Antananarivo, mpikarakara ny hetsika. « Betsaka mihitsy ireo mpitsidika ny tanàna eto Ambohimanga. Isan’ny toerana manan-tantara tokoa mantsy ny aty noho izy nitoeran’ireo mpanjaka fahiny. Mbola misy ihany koa ireo mitana ny hasina sy ny fombafomba taloha » hoy i Rakotoson, raiamandreny ao Ambohimanga Rova.Fotoana tokoa izao hitsidihana ireo toerana manan-tantara. Tsy ho ny vahiny indray no hitsidika sy hahita izany mialoha. Tsara raha atomboka amin’ny toerana akaiky ny renivbohitra aloha toy ny any Ambohimanga sy ny eny Manjakamiadana.
