Fokontany: Hampiasaina ny haitao arakajy mirindra ny fanefana ny tambi-karaman’ny mpiasan’ny fokontany
Manomboka izao dia handray ny tambi-karamany amin’ny alalan’ny finday ny sefom-pokontany sy ireo mpanampy azy. Izany no natao dia mba hidirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra (digitalisation). Tafiditra ao anatin’ny fanamorana ny asa fandoavana izany vola izany ihany koa ity fanapahan-kevitra ity.
“Horaisina amin’ny alalan’ny mobile money ny volan’ireo mpiasan’ny fokontany. Hanamorana ny fandoavana ny tambi-karama no antony ary ihany koa hanamorana ny fandraisan’ireo mpisitraka izany. Mampimenimenina azy ireo hatrany mantsy ny mahakasika ny fahataran’ny fahatongavan’izany vola izany ka nikaroham-bahaolana. Hialana amin’ny fivezivezena ihany koa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny ati-tany.
“Mety ho voaray vetivety fa ny ao anatiny mitovy amin’ny teo aloha hatrany. Tsy tokony hitombo kokoa ve raha ny asa maro be miandry anay. Indrindra moa amin’izao vanim-potoana alohan’ny fifidianana izao’, hoy ity Sefom-pokontany iray naneho ny heviny.
Marihina fa ny nanambara ny filoham-pirenena fa hiakatra avo telo heny mihoatra ny volan’ireo mpiasan’ny fokontany ireo manomboka amin’ity 2023 ity.
Miora Raharisolo
