ActualitésTatitra

La Réunion : Mitohy ny fitiliana ny homamiadan’ny hoditra

Mitohy ny fitiliana ny homamiadan’ny hoditra ao amin’ny nosy La Réunion. Tsiahivina fa ny 12 hatramin’ny 18 jona dia herinandron’ny fisorohana sy fitiliana ny homamiadan’ny hoditra. Tranga izay mahakasika akaiky ny mponina ao an-toerana noho ny fisian’ny masoandro ao an-toerana mandavan-taona.

Ny masoandro no isany fahavalo voalohany mahatonga ny homamiadan’ny hoditra raha ny fanazavan’ny « dermatologue », Dr Nathalie Sultan. Raha ny tatitra dia olona manodidina ny 2000 isa isan-taona eo no fantatra fa tratran’ny homamiadan’ny hoditra ao amin’ny nosy. Ny taona 2021 teo dia olona an-jatony no tratran’ny « mélanomes » (karazana homamiadan’ny hoditra) tao amin’ny nosy izay antontan’isa avy dimy heny ny tamin’ny 10 taona lasa.

Laisser un commentaire