Fanatanjahantena: Hotanterahina ny 16, 17, ary ny 18 jona izao ny lalao tsipy kanetibe
Fiadiana ny amboaran’ny Madagasikara amin’ny lalao tsipy kanetibe, hotanterahina ny 16, 17, ary ny 18 jona ho avy izao izanyeny Ivato. Efa nisy ny fihaonan’ireo Filohan’ny Ligy, klioba, ary ireo mpilalao sy ny mpiara-miasa rehetra nahafahana manomana ny lalao. Nandritra izany fotoana izany no nanapahana ireo daty ireo.
“Efa nanomboka omaly ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana amin’ity taranja ity ka te handray anjara. Hifarana ny 15 jona izao izany fisoratana anarana izany ao amin’ny Kifa Mahamasina”, hoy ny avy amin’ny Federasiona.
“Fotoana iray toy ireo lalao isaky ny herinandro karakaraina ihany ity. Fotoana ihany koa hisafidianana ireo izay tokony ho solontenan’ny Madagasikara amin’ny lalaon’ny Nosy. Lalao goavana izany lalaon’ny Nosy izany ka tokony entina amin’ny fahaizana misafidy ireo izay tena mahay milalao”, hoy I Amir Andriamilerovason, Filohan’izany Federasiona izany.
Hotanterahina any amin’ny tapatapaky ny volana jolay iny ny fampivondronana ny mpilalao tsipy kanetibe handray anjara amin’ny JIOI. Efa misy ihany koa anefa ny fanomanan-tena isaky ny alarobia izay karakarain’ny Federasiona.
Miora Raharisolo
