Equateur : Vehivavy iray voalaza fa maty no nifoha tampoka tao anaty vata-patiny
Tojo ny fijanon’ny fitempon’ny fo tampoka i Bella Montoya, 76 taona ny zoma tao. Tao Babahoyo, ao atsimo andrefan’i Equateur no niseho ny tranga. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany io vehivavy io taorain’izany ary niezaka namelona azy ireo mpitsabo saingy voalaza efa tsy avotra intsony ny tenany.
Ny alahady teo nandritra ny fiandrasana ny razana nefa dia niaina ary nifoha indray i Bella Montoya. Nilaza ny zanan’ity farany, Gilbert Balberan fa efa milamina ny fon’ny reniny saingy mbola « sous oxygène » eny amin’ny hopitaly izy. Manoloana ny fanambarana fahafatesana tsy marina kosa dia hisy ny fanadihadiana.
