SocialTatitra

La Réunion : Nanamafy ny fitsipika ara-pahasalamana ny tompon’andraikitra

Mbola miady hatrany amin’ny valan’aretina Covid-19 tahaka ny nosy rehetra i La Réunion amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no nanapahan’ny prefektiora fa mbola tazomina hatrany ny fitsipika ho an’ny trano mandray olona mba hisorohana ny fitangoronana ary mbola naamafy ny fitsipika ara-pahasalamana aza izy androany. Tsy maintsy hanaovana hatrany ny arovava orona hatramin’ny 9 jona izao ho an’ny olona maherin’ny 11 taona rehetra rehefa mandeha tongotra, rehefa eny an-tsena, rehefa any anaty fiara fitateram-bahoaka, rehefa eny amoron-dranomasina sy any anaty valan-javaboahary sy zaridaina isan-karazany any. Ho an’ny 6 hatramin’ny 10 taona kosa rehefa eny amin’ny toerana feno olona no tokony hanao arovava orona. Tsy mbola azo atao ny mivorivory mihoatra ny enina eny amin’ny toerana natokana ho an’ny daholobe eny rehetra eny ary mbola voarara ny mividy zava-pisotro misy alikaola. Ny fandraisana olona any anaty trano aza dia tsy maintsy manaraka ireo dingana ara-pahasalamana rehetra ary tsy mbola azo atao ny mandray olona amin’ny fandihizana fa kosa ho an’ny fanatanjahan-tena no tsy mahazo mihoatra ny olona folo.

Laisser un commentaire