France : Mitady vahaolana amin’ny fako plastika
I France no mpamokatra fako plastika betsaka indrindra ; nefa ambany noho ny an’i Europe ny tahan’ny fanodinana izany. Mikendry ny fitadiavana vahaolana ankehitriny ny mponina sasany ary ny orinasa ao Marseille ny amin’ny famerana ny fandotoana plastika sy ny fampiasana fonosona plastika. Tanjona ny hanampy ny fanjakana handray fanapahan-kevitra hiarovana ny ranomasina hoy I Brice Masi, mpikaroka sady mpandraharaha.
