Fiainan’ny tantsaha : Tsara raha hampiroboroboana hatrany ny seha-pihariana fambolena
Isan’ny manahirana ireo tantsaha ao Sabotsy Namehana ny fividianana sakafom-biby ho an’ny fiompiana. Miakatra avokoa ny vidin’ireo akoran’entana ampiasaina amin’ny fanodinana izany.
« Sehatra tena tsara raha misy fanatsarana ny fiompiana eto amintsika. Mbola betsaka anefa ireo mpiompy tsy matihanina amin’ny seha-piahariana eny ambanivohitra noho ny fahefa-mividi’nny mponina mbola ambany. Tsara raha manangana paik’ady mahomby ho azy ireo ny fanjakana hirosoana amin’ny tena fandrosoana » hoy i Gabriel, mpianatra mikasika ny fambolena eny ami’nny Anjerimanontolo. « Miankina tanteraka amin’ny vidy feran’ny mpamongady ihany no hivarotan’ ny mpantsinjara ny sakafom-biby. Hita ho miha vitsy ireo mpividy izany tato ho ato. Na izany aza dia manampy hatrany ireo tantsaha izahay araka izay azo atao » hoy i Faniry, mpivarotra sakafom-biby ao Sabotsy Namehana.
Ny fananana toe-tsaina mifampitsimbina sy ny fametrahana tetika mazava ho fampiroboroboana ny seha-pihariana fiompiana no isan’ny antoka hampiakarana ny fari-piainan’ny olona eny ambanivohitra. Ny fandraisan’ireo tompon’andraikitra ny famahana ny olana ihany koa no tena ilaina indrindra eo amin’ny sehatry ny fivarotana sy ny fitaterana ny vokatra.
Nicole Rafalimananjara
