ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy mpisolovava iray nikarakara ny famonoana azy

Maty tao an-tranony ny vady aman-janaky ny mpisolovava Alex Murdaugh, 53 taona ny 7 jona teo. Nisy nitifitra ny basy tao amin’ny fonenany tao Islandton, ao Caroline du Sud izy mianaka ireo raha ny fanazavana. Ny 4 septambra teo kosa dia nisy nikasa nitifitra ihany kosa ity raim-pianakaviana ity teny amina làlana mangingina iray tao an-toerana. Naratra teo amin’ny lohany izy ary nentina haingana tany amin’ny hpotaly ka velon’aina soa aman-tsara.Nanambara nefa ireo mpitandro ny filaminana ao an-toerana ny herinandro lasa teo fa izy ihany no nanomana sy nikarakara ity famonana azy ity. Niaiky izany izy ny alatsinainy teo ary nanazava fa lehilahy nisolony vava iray antsoina hoe Curtis Edward Smith, 61 taona. Izy no nanome basy io lehilahy io ary nibaiko azy hitifitra azy teo amin’ny lohany. Antony hoy izy ny fandraisan’ny zanany lahy iray sisa tsy maty fiantohana mitentina 10 tapitrisa dollars (40 000 tapitrisa ariary) raha maty izy.

Laisser un commentaire