ActualitésTatitra

France : Nandray Harkis tao amin’ny Elysée ny filoha Emmanuel Macron

Nandray ireo Harkis (mpikambana ao amin’ny tafika frantsay tera-tany avy any Algérie) tao amin’ny lapam-panjakana ny filoha Emmanuel Macron ny alatsinainy teo, tao aorian’ny fitakiana nataon’izy ireo. Voalohany tao anatin’ny 60 nifaranan’ny adin’i Algérie izany. Tsy ireo Harkis ihany nefa no tonga tamin’izany fa niaraka tamin’ny taranany sy ny filohan’ny fikambanana izy ireo ary ireo olo-nanamarika tamin’izany. Olona maherin’ny 300 no noraisina tamin’ity fanasan’ny filoha ity. Entina hankasitrahana ny zava-bitan’ireo Harkis ireo tao anatin’ny 60 taona izany hoy ny filoha. Marihina fa isaky ny faha 25 septambra ny fankalazana ny fanomezam-bohinahitra ireo Harkis.

Laisser un commentaire