Espange : Nipoaka ny volcan tao Canaries
Nipoaka ny alahady 19 septambra teo ny volcan Cumbre Vieja tao amin’ny nosy Canarie. Efa andro maromaro izy no narahi-maso noho ny fisian’ny andro horohoron-tany mahery vaika tao an-toerana. Voalohany tao anatin’ny 50 taona ity fipoahana ity raha ny fanazavana. Olona maherin’ny 5 000 kosa no nalàna tao an-toeran noho ny fiparitahan’ny « lave ». Mahatratra 700 metatra isan’ora ny fiparitahany amina hafanana 1000°C. Anisany hatahorana kosa ny fipoahany tao amina faritra feno ala hoy ny filohan’ny Canaries, Angel Victor Torres.
