15 Septambra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia
Ankalazaina androany 15 septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia na ny fahalalahana maneho hevitra. Raha ny tetiandron’ny ONU dia andro iray ahafahana mandinika ny toetrin’ny demokrasia eran-tany indray izany.
Raha ny fanamafisan’ny sekretera jeneralin’ny ONU António Guterres dia sady dingana no tanjona ny demokrasia. Ny fandraisana anjara feno sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny rafi-pitantanana nasionaly, ny fiarahamonim-pirenena ary ny isam-batan’olona no ahafahana mametraka ho zava-misy marina eran’izao tontolo izao hoy izy.
Anisan’ny tena voatonona manokana isak’ity fankalazana ity ny asa fanaovan-gazety, izay miaro ny fahalahana maneho hevitra. Miasa ho an’ny fandriam-pahalemana, ny demokrasia ary ny fanatontosana ny tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra izany (ODD).
