ActualitésTatitra

Maurice : Mety hiverina hisy ny Dodo

Vorona tsy nisy hafa-tsy tao Maurice ny « Dodo » na « Dronte de Maurice » omena ny anarana siantifika hoe « Raphus cucullatus ». Karazam-borona ao anatin’ny « Columbiformes » izy izay efa lany tamingana tany amin’ny faran’ny taonjato faha-17 tany raha vao ny faramparan’ny taonjato faha-16 no hita.

Orinasa amerikanina iray atao hoe Colossal-Bioscience no miasa eo am-bolana maro izao amin’ny famerenana io biby io indray. Vola an-jatony tapitrisa dollars maro no ampiasana amin’izany tetik’asa izany. Avy amin’ny ADN toy ny tamin’ilay sarimihetsik’i Steven Spielberg (Jurassic Park) kosa no hanatanterahana ny fameranana io vorona io indray, raha ny fanazavana.

Mbola afaka fotoana maharitra sy aorian’ny dingana 7 kosa vao mety ho tanteraka io tetik’asa io. Marihina fa efa manana ny ADN an’io vorona io izay nalaina tao amin’ny tranom-bakon’i Copenhague ireo mpikaroka.

Laisser un commentaire